Sosialy

« Tosika Fameno » Nisy nanodinkodina ny tao Moramanga ?


  • Talata 11 Aogositra 2020

Fianakaviana 100 mahery ao Moramanga no mahatsiaro voarirarira ka mitaky ny anjara « Tosika Fameno » tokony sitrahan’izy ireo. Nahazo hafatra tamin’ny finday avy izy ireo, mampahafantatra azy ireo ny nomerao sy ny banky na toerana handraisana ny vola 100.000 Ariary

 

 

 

« Tosika Fameno ». Niveri-maina anefa anefa izay nandeha tany amin’ilay banky voatondro hakana ny vola, fa hoe : tsy misy vola ho an’izany ao. Nanjavona ny vola ? Nisy nanodinkodina ? Efa tapa-bolana lasa io ary nanomboka teo mandrak’ity ny androany ny fandrirarirana sy ny famezivezena ary ny fangalapiery amin’ireo tompon’andraikitra mikaraka ny « Tosika Fameno » ao Moramanga amin’ireo fianakaviana ireo. Hatry ny omaly nahazoana ny vaovao dia tsy mbola nahazo ny « Tosika Fameno » ireo fianakaviana ireo. « Tsy hipetra-potsiny amin’izao izahay, ary tsy hamelanay raha tsy azo ny anjaranay », hoy izy ireo. Handoavana ekôlazin’ny mpianatra hiatrika fanadinana sao tsy mahazo « convocation » ny an’ny sasany, handoavana hofantrano ny an’ny hafa, hividianana sakafo ny an’ny ankamaroany ny vola.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT