Efa nivoaka nandritra ny herinandro vitsivisty teny amin'ireo toerana famoaham- bola ireo Tosika Fameno 100 000 ar. Anisan'ny niteraka savorovoron-tsaina teo amin ny fiaraha monina ny fahitan ny vahoaka ny valin ny fanadihadiana natao.
Ireo mpikambana tao amin ny loharano no tena nahazo tsiny ary nohenjehin'ny olona tsy nanao ny asany ara-dalàna na nijery tavan'olona. Nanomboka tamin'ity herinandro ity anefa dia nisy indray ny antso natao tamin'ireo vahoaka izay tsy mbola nisitraka izany fanampiana izany mba hanatitra ny anton taratasy toy ny tahadikan tsary karapanondro sy kara-pokontany ary tsy misy fanavahana fa izay te haka dia samy mikarakara daholo. Nilaharana hatrimin ny mpanao tahadikan-tsary ka izay rehetra naleha dia lava avokoa ny filaharana. Teny Mandrangombato II no nandraisana ireo vahoaka marobe tao amin ireo fokontany mandrafitra ny firaisana faha IV. Araka izany dia vahoaka an'alina no nifandimby noraisina teny nandritra ny andro vitsivitsy. Tsy mahalala matahotra intsony ireo olona satria misy amin ny roa ora maraina dia efa miainga any an trano ary renim-pianakaviana avokoa no tena mameno toerana. Araka ny hita koa dia tsy nanavahana sokajin asan olona izy ity fa tazana teny avokoa hatrimin'ny be antitra aza. Toa samy mangetaheta te hahazo ireo vahoaka teo am-pangoronana ny taratasy. Manambara izany fa tena sahirana ireo vahoaka Malagasy. Mampametra panontaniana anefa dia ny hoe hahazo ny anjarany daholo ve izy ireny sa dia ho very mohaka indray ve ilay fanantenana efa nitsiry. Dia inona indray no antenain' ireo sanatria tsy hahazo ny anjarany. Rahoaviana ihany koa vao ho tonga any amin ny faritra ivelan ny antananarivo sa eto ihany no misy ireo mihiboka ?
Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.