Sosialy

Tosika fameno eto Antananarivo 45 000 no hisitraka, tsy ao anatiny ireo efa nahazo


  • Alarobia 15 Jolay 2020

45 000 eo ny fianankaviana hahazo ny fanampiana tosika fameno, izay hanomboka anio ny fisitrahana izany, raha ny fanazavan’ny Governoran’ny Faritra Analamanga Atoa Hery Rasoamaromaka.

 

 Ny governemanta, Faritra, Distrika, Kaominina, Fokontany,… no handrindra izany. Nambarany fa tsy hisitraka izany intsony ireo efa nahazo teo aloha, raha toa ka ny mifanohitra amin’izay no nambaran’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny Minisiteran’ny mponina andro vitsy lasa izay, fa ireo efa nahazo amin’ny ankapobeny no mbola hahazo. 128 000 ny isan’ny olona voasoratra anarana tamin’ny tosika fameno teo aloha, ka 103 000 ihany no nahazo. Hampidirina ao anaty lisitra vaovao ny 25 000 tsy nahazo, ary nisy ny fitarainana 40 000 voaray, ka ireny no hisitraka, raha ny fanazavan’ny governora. Nanomboka omaly ny fizarana tapakila ahitana ny anaran’ny mpisitraka, ary efa vita ny fifanarahana tamin’ireo mpivarotra. ToEram-pivarotana iray efa misy famantarana “sosialim-bahoaka” no afaka hantonin’ireo nahazo ny tapakila, izay roa isaky ny “secteur” eo izany amin’ny ankampobeny. Tsy mihoatra ny 25 ny tapakila azon’ny mpivarotra iray raisina. Manomboka avokoa ny fisitrahana izany ho an’ny boriborintany enina, raha ny fanazavana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT