Sosialy

Tontolon’ny zaitra “Mila mifamelona isika Malagasy”


  • Talata 28 Febroary 2023

Tsy hoe nanajanona ny tontolon’ny sarimihetsika ny tenako, hoy ny mpilalao sarimihetsika, Andrianina Ravel,

fa nahatsapa hoe manana fitiavana na « passion » ihany koa amin’ny resaka filatroana dia niditra lalindalina ao anatin’ny tontolon’ny zaitra. Mahafinaritra, hoy izy, ny asa famoronana. Ny asa tanana ataonay dia eo hatrany ny hoe fianjaika malagasy fa mamokatra filatro amina firenen-kafa koa izahay. Isan’izany, ohatra, ny sari, izay fitafy indianina mety tsara amin’izao andro mafana izao nefa sady maontina no lamaody rahateo. Fitiavana no takian’ny fanjairana voalohany. Izay avy eo no hanananao finiavana hianatra sy maha mora hay an’ilay izy. Tsara jeren’ny fitondram-panjakana ihany hoe misy tanora be dia be tsy an’asa dia isan’ny tena maha velona mihitsy io sehatra iray io. Ny kalitao no zava-dehibe ary tokony hanana isika na ny lafiny ara-pitaovana toy ny masinina na hafa ary tokony ho betsaka. Tsy voatery hanafatra foana fa afaka mamorona sy mametraka ny marika maha antsika antsika isika. Hafa mihitsy izany manana rehareha na “fierté” hoe mahavita zavatra isika malagasy. Fiteny moa ny hoe ny tsara tsy mba mora nefa misy mora ihany izy ireny fa amiko ny zava-dehibe sy vahaolana dia mila mifamelona isika Malagasy fa tsy mifamono. Ny mpamokatra mila mametraka vidiny tsy mamono antoka sy afaka ivelomany sy ireo mpiara-miasa aminy. Dia ny mpanjifa koa mila mahazo na “mi-comprendre” hoe nisy fotoana lany tao nikarohana ny maha kanto indrindra ilay asa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Andrianina Ravel sy ny ekipany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT