Tontolon’ny vary

Omen’ny FMI lesona mba hamokatra fa tsy hanafatra lava isika…


  • Talata 05 Martsa 2024

Manome toromarika amin’ny fanavaozana tanteraka ny raharahan-ketra

mikasika ny sehatry ny vary ny Tahirimbola iraisam-pirenena, anatin’ny « Rapport-pays » mikasika an’i Madagasikara, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly. Tafiditra ao anatin’io ny fanafoanana tsikelikely ny fanalehafan-ketra mikasika ny fanafaram-bary. Hatramin’ny taon-dasa, nandrisika ny hampitomboana ny famokarana ny FMI, manosika ny hiroboroboan’ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny famokarana vary, ka heverina fa manampy an’i Madagasikara amin’izany io fepetra io fanafoanana tsikelikely ny fanalefahan-ketra amin’ny fanafarana io. Ny vary hafarana dia halefahana na foanana ny hetra sy haban-tseranana kanefa ny fandaniana ara-ketra avy aminy dia tombanana hon 124 miliara Ar ny taona 2021 izay manome 0,2% amin’ny harin-karena faobe na PIB ho an’ny taona 2021. Andaniny, ny Fanjakana Malagasy Malagasy, dia mametraka ny vary hafarana hitazonana ny ho marin-toerana ny vidim-bary eo anatrehan’ny tsy fahampian’ny vokatra anatiny, raha toa ka milaza ny FMI fa ny fanalefahan-ketra sy haban-tseranana, dia tsy mifanentana ary tsy mahomby amin’ny fanaraha-maso na fitazonana ho marin-toerana izay vidim-bary izay. Rehefa zohiana amin’itony, dia ny vahiny indray no toa manome lesona antsika Malagasy, fa tena mila miasa sy mamokatra isika mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hamoronana harena, hampiakarana ny toekarena,… Kabary ambony latabatra no betsaka amin’ny resaka fahavitan-tena ara-tsakafo raha tarafina amin’ny politika, ny tetibola, ny hoenti-manana,… amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny famokarana. Raha hampahatsiahy kely ny endrika fanamaivanan-danja izany, dia sambany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no nisy Filoham-pirenena nahasahy nilaza nandritra ireny vanim-potoanan’ny coronavirus ireny, fa tsy afaka hiandry vary 2 taona vao miakatra izy, izay toa midika avy hatrany fa tsy hananany ivim-pahalalana ny tontolon’ny famokaram-bary tamin’ny fotoana nitenenany izany ka nampiteniteny foana azy. Ny vary no foto-tsakafon’ny Malagasy, saingy tonga hatrany amin’ny fandrisihana hamboly artemesia satria mampidi-bola kokoa sy lafo noho ny vary. Ohatra azo raisina sy azo hakana lesona foana ny fanambin’i Paul Kagame Filoha Rwandais nandritra ireny krizin’ny ady any Ukraine tamin’ny fanombohany 2 taona lasa teo hoe : tsy azo ekena intsony ny hoe : i Ukraine izay tsy manana mponina afatsy 44 tapitrisa no hamelona sy hamatsy ara-tsakafo an’i Afrika izay misy vahoaka 1,4 miliara, ka nametrahany fanamby fa hatramin’ny 2025 dia mahaleo tena ara-tsakafo i Rwanda. Betsaka ny fampiasam-bola sy fampitaovana natontony any amin’ny famokarana. Manana velaran-tany betsaka mbola azo volena sy hamokarana i Madagasikara, saingy ny politikam-panjakana no mbola marefo, tsy tena miparitaka any amin’izany ny volam-panjakana na 80% amin’ny Malagasy aza no lazaina fa tantsaha, fa any amin’ny kirendrarendra aloha izao no mahamaika.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT