Sosialy

Tontolon’ny fiompiana Nizara zana-kisoa fakana taranaka ny Minisitera


  • Alarobia 04 Novambra 2020

Zana-kisoa fakana taranaka miisa 42 “Landrace” sy “Large White” izay mahavita miteraka hatrany amin’ny 18, no nozarain’ ny MAEP ho an’ny mpiompy kisoa matihanina eto amin’ ny Faritra Analamanga,

 

 

hoy ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono (MAEP). Anisan’ny nisitraka izany ireo mpiompy tao amin’ny fokontany Talata kaominina Ampanefy, Distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny alatsinainy 02 novambra 2020 teo. Efa nisy ny fizarana izany zana-kisoa izany tamin’ny faran’ny taona 2019 izay miisa 158 tany amin’ny faritra Itasy, Analamanga, Bongolava, Vakinakaratra ary Menabe, raha ny tatitra. Tanjona ny hanatsarana ny taranaka, ny hampiroboroboana ny seham-pihariana kisoa eto Madagasikara ary ny hanatrarana kisoa miisa 60 000 fakana taranaka izay voasoritra ao amin’ny fanambin’ny MAEP, araka ny fampahafantarana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT