Sosialy

Tontolon’ny fampianarana Miverina indray ny ambalavelona sy satanika


  • Zoma 26 Janoary 2018

Nahenoana vaovao hafahafa tao amin’ny CEG Andasibe omaly, araka ny vaovao nalefan’ny radio iray any an-toerana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tseraserany. Ankizivavy roa, taona fahafito sy fahasivy no nidiran-javatra toy ny voan’ny ambalavelona sady nanao fihetsika sy fiteny hafahafa.

Raha araka ny fanazavan’ny mpampianatra iray tao amin’ny taona fahafito nisy ilay tovovavy iray dia safotra tampoka ilay tovovavy raha vao nanomboka ny fampianarana. Nentin’ilay mpampianatra tany amin’ny efitrano famakiam-boky avy hatrany ilay tovovavy. Ny nahavariana dia toa nahazo hery izany ity farany  nandritra ny fotoana nikarakarana azy. Tsy nijanona teo ny tantara fa nilaza ihany koa izy fa satanika ary maromaro, hono izy ireo no miaraka. Mbola nampiany ihany koa hoe tsy maintsy azonay ny fitondrana amin’ity taona 2018 ity, raha araka ny vaovao azo hatrany. Mbola nihanahazo hery sy nitabataba hatrany moa ity tovovavy kely iray ity taorian’izay ka tsy voatazona intsony. Raha ny fantatra, tafaporitsaka teny am-baravarankely mihitsy izy, nipitika tany amin’ny 100 metatra miala ny sekoly, ka tsy nahatazona azy raha tsy olona efatra matanjaka. Fotoana fohy taorian’izay, nihetsika koa ilay tao amin’ny taona fahasivy ary nitovy tsy nisy valaka ny fihetsika nataon’izy ireo sy ny zavatra nambarany. Tsy mifankahalala akory anefa izy mirahavavy ireto.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT