Sosialy

Tontolon’ny asa Mila ezaka sy tohana mafonja


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Tany amin’ny taona 1886, izany hoe 134 taona ny hetsika nataon’ny mpiasa mpitrandraka harintany tany Chicago Amerika nampiasaina toy ny biby, niantombohan’ny tolon’ny mpiasa.

 

 

 

 Nitsiry teo amin’ireo mpiasa ny fahatongavan-tsaina teo anatrehan’ny tsindry hazolena, ka nifanantona sy nikaon-doha. Nanao fitokonana mpiasa nanomboka teo, ka niteraka ny fifanantonana. Ankoatra ny fanoherana ny fampahoriana, dia tokony ho ferana ny ora iasana, fa tsy miankina amin’ny sitrapon’ny mpampiasa, raha ny fitakiana tamin’izany. Ankehitriny, 40ora isan-kerinandro, ary 8 ora isan’andro, raha ny lalàna ofisialy amin’izao fotoana izao, ary fifanarahana hafa indray ny resaka ora fanampiny. Eo ihany koa ny fiahiana ara-tsosialy, ny fiantohana ara-pahasalamana,… saingy mbola mila ezaka betsaka io, raha ny eto Madagasikara. Ao anatin’ny krizin’ny coronavirus izao tontolo izao, ary isan’ny lasibatra ny mpiasa. 30 tapitrisa ny olona tsy an’asa na “chômeurs” any Etazonia hatramin’ny fiandohan’ny valanaretina, eo amin’ny 4 tapitrisa ny any Espagne,… Andrasana ny antontan’isa eto Madagasikara, izay tena sehatra rehetra no lasibatra. Ny orinasa afaka haba ohatra, dia 150 000 ny mpiasa mety tsy afaka hahazo karama, ny orinasa tsotra maro no nanala mpiasa sy tsy mandray karama feno ny mpiasany. Mila tohana mafonja avy amin’ny fanjakana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT