Sosialy

Tontolon'ny fampianarana Olana goavana ny fandoavana ny "écolage"


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Velon-taraina ny ankamaroan’ny tompon’ireo sekoly tsy miankina eto an-drenivohitra. Hatreto mantsy dia mbola vao ny 20%-n’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra raha betsaka no nahaefa ny saram-pianaran’ny zanany volana

Febroary raha tokony ny fahadimin’ny volana hitsahina no fara-fandoavana izany. Ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy ny BEPC amin’ny ankapobeny no efa betsaka mandoa raha tsy dia mivaky loha loatra ireo Ray aman-dReny manan-janaka tsy hiatrika fanadinana. Tsy maintsy hiatrika ny fanadinana laharana fahatelo mantsy ireto farany amin’ity herinandro ity hahafahana mamaritra hatrany ny tena fahaizan’izy ireny. Mahatsiaro tena ho kivy ny ankamaroan’ireo tompon-tsekoly noho izany. Mety hitarika hatramin’ny faran’ny volana indray mantsy izany tsy fandoavana saram-pianarana izany hoy hatrany izy ireo ka hifanotona amin’ny fandoavana ny saram-pianarana volana Martsa. Tsiahivina moa fa vokatry ny fahasahiranana mahazo ny isan-tokantrano avokoa no mahatonga izany. Ny sakafo hohanina hatrany aloha no laharam-pahamehana koa raha mbola tsy voaraoka ilay mpianatra dia mbola manana fanantenana hatrany ireo Ray aman-dReny.
Pati
Legende : Betsaka ireo mpianatra mbola tsy nahaloa saram-pianarana volana Febroary amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT