Sosialy

Tontolon` ny asa Niseho masoandro ny fanambakana ny mpiasa


  • Zoma 02 Oktobra 2020

Mpiasa iray amin` ny 10 no tsara toerana mifanaraka amin` ireo lalàna momba ny asa eto Madagasikara.

 

 

Voarakitra ao anatin` ny lalàna mifehy ny asa ny karama sy ny fifandraisan`ny mpampiasa sy ny mpiasa, ny fiahiana sosialy, ny faharetan` ny ora fiasana, ny fotoana fialan-tsasatra. Na dia niteraka voka-dratsy teo amin`ny toekarena ny fisian` ny valanaretina Covid 19 dia niseho masoandro kosa ny tsy fanarahan-dalàna sy ny tsy fanajan` ireo mpampiasa ny zon` ny mpiasa. Maro an` isa no tsy nisy fiantohana fahasalamana, tsy misoratra any amin`ny CNaPS. Na nisoratra tamin` ity farany aza ny mpiasa iray dia tsy nambaran` ny orinasa indray ny karama tena raisiny. Fomba amam-panaon` ny ankamaroan` ny mpampiasa mantsy no manao fifanarahana arak`asa roa: ny iray dia mamaritra ny tena karama; ny iray hafa kosa dia hanamarinana karama ambany mba hialana amin` ny fandoavan-ketra ataon` ny mpampiasa. Voaporofo izany amin` ilay Tsinjo Fameno, tosika fampindramam-bola avy amin` ny fitondram-panjakana sy ny CNaPs. Maro no nikasa hindrana izany vola izany saingy gaga sy talanjona ny mpiasa rehefa nijery ny mombamomba azy amin` ny tranokalan` ny CNaPS. Amin` izao fisian` ny krizy izao moa dia vao mainka miharatsy ny tontolon` ny asa amin` ny sehatra tsy miankina. Araka ny tomban` ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) dia ho 45,5% ny ratsy asa eto Madagasikara. Ny ratsy asa dia tsy mijanona amin` ny hoe kely karama na koa mivelona tsizarizary ny mpiasa iray fa mitohy amin` ny fanarahan-dalàna ataon` ny mpampiasa azy izany. Ny fandoavan-ketra no antoky ny fampandrosoana amin` ny firenena iray. Ny fitondram-panjakana rahateo dia mifototra amin` izany. Fotoana , araka izany, izao hitsirihana ireo orinasa eto Madagasikara satria maro no miaina amin`ny tsy ara-dalàna satria ny hetra tokony aloany aza tsy feno araka ny tokony ho izy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT