Sosialy

Tontolo iainana ao Ranomafana Ho ambenana zandary manokana


  • Alakamisy 10 Septambra 2020

Tsy nijanona nanao ny asa fampandrosoana ny kaominin’I Ranomafana na teo aza ny fihibohana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy.

 

 

 

Ny mikasika ny famitana ireo foto-drafitrasa moa dia nezahana nenjehina tao anatin’ireo fivahan’ny fepetra ara-pahasalamana izany. Efa mipetrapetraka ny fandaharam-potoana amin’ny 2021 ho an’ity kaominina ity, hoy hatrany izy. Eo ny isam-pokontany fa eo indrindra koa ireo tetikasan’ny filoha izay isan’ny ho tanterahana eto. Ity kaominina ity no nametrahan’ny fiadidiana ny repoblika ny tetikasa Borigady manokana misahana ny lalana sy ny hotely ary fiantsonan’ny taksy borosy. Ny borigady moa dia notokanana ny alakamisy teo. Ny hotely sy fisakafoanana, fivarotana voandalana ary fiantsonam-piara lehibe kosa dia mbola ny ampahany voalohany izao no vita tanteraka. Mikasika ny famatsiam-bola manokan’ny kaominina dia efa vita ny biraony. Ny tsena sy lisea izay ahitana efitrano 8 sy misy rihana ary ireo EPP isam-pokontany koa efa an-dalam-pamaranana azy. Hiverina tsy ho ela koa ny hetsika ara-panatanjahan-tena ary hamatsy fitaovana ireo tanora ny kaominina mba tsy hidonananahan’izy ireo foana. Ny mikasika ny tontolo iainana moa dia hisy zandary manokana apetraka hanara-maso ireo mbola mandoro ala sy manao izay hetsika manimba tontolo iainana izay, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT