Sosialy

Tontolo ambanivohitra Mamelona tokantrano ny 90% n’ny vehivavy


  • Alatsinainy 06 Desambra 2021

Maherin’ny 80%n’ireo vehivavy misehatra amin’ny asa mbola tsy tafiditra anaty sehatry ny ara-dalana na ilay antsoina hoe “secteur informel”

 ankehitriny no very fihariana vokatry ny krizy ara-pahasalamana nateraky ny Covid 19 raha ny tatitry ny sampan’ny firenena mikambana misahana izany na INFPA tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny sabotsy teo. Raha ny fanadihadian’izy ireo hatrany dia mbola manampy trotraka azy io koa ny fihombon’ny herisetra manjo ny vehivavy sy ny ankizy vavy hatrany amin’ny 77% ny taona 2020. Antony ilana ny fanohanana ireo vehivavy amin’ny fivoahan’izy ireo anatin’izao krizy ara-toekarena vokatry ny valanaretina izao ihany koa izany, hoy hatrany ny INFPA, nandritra ity andro nandinihin’ny tambazotran’ireo vehivavy mpitarika afrikanina eto Madagasikara ity. Ny 90%n’ireo vehivavy any amin’ny tontolo ambanivohitra dia saika mamelona tokantrano avokoa. Nanampy trotraka ny olan’izy ireo anefa ny fiantraikan’ny Covid 19 sy ny Kere, raha ny mikasika an’i Madagasikara manokana. Tanjona tao anatin’izao fifanakalozana izao, araka izany, ny fampiroboroboana ny fahaleovantenan’ireo vehivavy, ny fampandraisana anjara mavitrika azy ireo amin’ny fampandrosoana ny toekarena, ny fanamorana ny fisitrahany ireo asa eny ifotony sy fiahiana sosialy ihany koa. Tafapetraka teto Madagasikara ny 7 desambra 2020 ny tambazotran’ireo vehivavy mpitarika afrikanina raha toa ka noforonin’ny firenena mikambana tao New York, Etazonia, ny taona 2017. Miisa 500 ankehitriny ireo mpikambana ao anatiny ary tarigetra ao anatin’izy io ny resaka fitantanana, ny fandraisana anjara politika, ny fandriampahalemana sy fitoniana, ny fitantanam-bola sy fandraharahan’ny vehivavy, ny fitarihan’ny tanora, ny fambolena ary ny hetsika sosialy, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Legende : Tetsy amin’ny Novotel ny sabotsy teo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT