Sosialy

Tongolo Tafakatra 7.000 Ar ny iray kilao eny an-tsena


  • Talata 04 Aprily 2023

Tsy misy entana izay tsy miaka-bidy intsony eny an-tsena amin’izao. Ankoatra ny vary izay tsy lazaina intsony ny

fitarainan’ny isan-tokantrano dia midangana izay tsy izy ihany koa ny vidin’ireo kojakoja maro samihafa ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Ho an’ny sakafo manokana dia anisan’ny tena nanaitra ny maro ny fiakaran’ny vidin’ny tongolo ho 7000 Ar ny iray kilao ho an’ireo karazany mba tsaratsara. Manodidina ny 4000 ka hatramin’ny 5000 Ar kosa ny iray kilao amin’ny voatabia izany hoe : lasa singany iray sisa no azon’ny 200 Ar raha vidiana antsinjarany eny an-tsena. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina mpivarotra iray dia hatrany am-potony mihitsy no miakatra ny vidin’ny tongolo. Fotoana tsy fisiany mantsy izao. Ankoatra izay hoy izy dia mahatsiaro ho sahirana ihany koa ireo kamiao mpitatitra entana noho ny haratsian-dalana nateraky ny ranon’ora-nikija tato ho ato hany ka voatery nampiakatra ny saran-dalany ihany koa. Raha tsiahivina anefa dia mbola 2.000 Ar ny iray kilao tamin’ny tongolo tany am-potony teo aloha teo ho an’ireo faritra mpamokatra izany any Anjozorobe. Tsy ho hita eny amin’ireo toeram-pisotroana na fisakafoanana intsony araka izany ny tongolo milona maimaim-poana miaraka amin’ny sakay raha izao no mitohy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT