Sosialy

Tonelina Ambohidahy Zazavavy kely nokendain’ny renibeny saika maty


  • Alatsinainy 20 Mey 2019

Zazavavy kely iray manodidina ny valo taona no kendain’ny renibeny ny alakamisy hariva teo tao ambanin’ny tonelin’Ambohidahy nandritra ilay fitohanana be iny.

 

Nihiaka sy ankon’ny ranomaso io zaza io, ilay ramatoabe kosa efa mamo. Nijery fotsiny anefa ny manodidina. Nisy ihany ireo tsara sitrapo nanavotra ity zazavavy kely ity. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa efa kamboty ray sy reny. Hirahin’io bebeny io mangataka izy ka rehefa tsy mahazo dia voavono tahaka izao hatrany. Mbola nahitana ratra vitsivitsy teny amin’ny tenany. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly izy ka nahazo fanafody soa aman-tsara. Ny olana dia zaza efa valo taona izy nefa mbola milanja 10 kg foana. Nentin’ireo olona tsara sitrapo nody aloha ity zazavavy kely ity taorian’ny nivoahany ny hopitaly. Samy nilaza ny tsy afaka mandray avokoa mantsy na ny Centre Vonjy nitondrana azy noho ny andro alina na ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona eny Tsaralalana. Nitady vahaolana ireo olona tsara sitrapo nanavotra azy ka nampidirin’izy ireo eny anivon’ireo toerana fitaizana zaza kamboty ity zazavavy kely iray ity, izay nosafidian’ny mpampita vaovao tsy holazaina ny anarany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT