Sosialy

Tondra-drano eny amin’ny faritra iva Antenaina fa hihena, hoy ny tompon’andraikitra


  • Alakamisy 22 Novambra 2018

Taorian’ny fitsidihana nataon’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana, ireo faritra ahiana ho dibo-drano ao anatin’ny fahavaratra dia nilaza ny avy eo anivon’ny boriborintany voalohany fa efa

 

 

mandray ny andraikiny hiatrehana ny fahavaratra izy ireo. Misy ny tatatra mbola tsentsina ary eo am-pisikorana azy ireny isika izao, hoy ny lefitry ny delege, Heriniaina Razanadrakoto. Zava-poana anefa ny ezaka rehefa manary fako amin’ny toerana tsy azo hanaovana izany ireo mponina. Anisan’ny nandraisana fepetra manokana ny alatsinainy teo), raha ny nambarany, ny fokontanin’Ambodin’Isotry satria orana kely dia naha tondra-drano teny an-toerana. Nifarimbona ny fokontany sy lehiben’ny tsena ary ny boriborintany nanala ireo tsentsina. Antenaina, hoy izy, fa mba hihena amin’izay ny tondra-drano eto Antananarivo amin’ity taona ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT