Sosialy

Tompon'andraikitry ny fokontany Maro no miraviravy tanana


  • Zoma 17 Aprily 2020

Asa na variana amin'ilay fanisam-bahoaka omena ny Vatsy tsinjo na ahoana fa dia maro ireo tompon'andraikitra eny amin'ny fokontany no tsy mahavita mampanaja ny lalàna.

 

 

 

Efa hita mibaribary izao ny olona maro be mandeha eny an-dalana, tsy voatery hoe handeha hiantsena na manana antony mazava tsara tsy azo hanoharana fa dia tsy miteny tsy mivolana.Ny resaka hoe manao arovava izany moa dia tahaka ny angano angano,arira arira.Maro ny faritra ahitana andian-jatovo mihainohaino na midongizina araka ny firesaky ny tanora.Misy ireo mbola mahavita mampiady akoho sy milalao baolina na manao tsipy kanetibe.Maraina mandra-paharivan'ny andro no ahitana izany. Efa nisy anefa ny baiko hiarahan'ny kaominina sy ny fokontany miasa amin'ny fanarahamaso ny fanajana ny lalàna mandritra izao fotoanan'ny fihibohana izao.Mety tsy te hahazo vava angamba ireo mpitantana eo anivon'ny fokontany, tsy te hanana olana amin'ny fiarahamonina ihany koa hany ka mikipy maso manoloana ny fihetsiky ny olona mandika ny fepetra napetraka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT