Sosialy

Tolotra vaovaon’ny CNaPS Hotsaboina ireo zokiolona marefo efa misotro ronono


  • Alarobia 14 Jona 2023

Hanome tolotra vaovao ny CNaPS manomboka izao. Fanomezana fitsaboana fanampiny ho an’ireo zokiolona marefo mihoatra ny 60 taona no hatao amin’izany.

Tontosa omaly maraina tao amin’ny chambre de commerce Mahajanga ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny CEO (Centre d’écoute et d’Orientation) CNaPS sy ny Centre Médical Ziona Vaovao (FJKM) Mangarivotra, ny Hôpital Loterianina Antanimalandy (HLA) ary ny Centre Médical Fanantenana (Catholique) Tsararano Ambony. Nanao sonia izany taty Mahajanga ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny CNaPS Rtoa Tsaboto Joslina sy ny talen’ireo ivotoeram-pitsaboana telo ireo. Taorian’Antananarivo dia Mahajanga no tanàna faharoa nanaovana ny tetikasa noho izy manana zokiolona maro an’isa indrindra aorian’Antananarivo.Nambaran-Drtoa Joslina TSABOTO, Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny CNaPS fa: « ity tetikasa ity dia tafiditra ao anatin’ny politika nasionalin’ny fahasalamana araka ny Velirano faha-5 izay mikendry ny fahasalamana ho an’ny sokajin-taona rehetra. Amin’ny maha orinasam-panjakana nyTahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy dia mahatsiaro ho manana adidy ny CNaPS amin’ ny fiahiana ara-tsosialy sy ara-pahasalamana ho an’ny rehetra. Taorian’ny COVID-19, dia maro ny mpiasa Malagasy no lasa marefo ary tsy maharaka fitsaboana rehefa tsy salama, indrindra fa ireo zokiolona. Izay no tanjon’ny tetikasa dia ny handray an-tànana ny fahasalaman’ireo zokiolona marefo». Ireo zokiolona mpisotro ronono mpikambana CNaPS, ka mahafeno ny fepetra no hahazo ity tolotra ara-pahasalamana vaovao ity. Ireo izay efa nahefa ny latsak’emboka 60 telovolana farafahakeliny hatramin’ny septambra 2016 ; toraka izany koa ireo izay mandray solon-takaitra sy ireo tsy mpikambana amin’ny AFAFI. Ireo zokiolona mandray fisotroan-dronono latsaky ny SME (karama farany ambany) 419 000 Ar isaky ny telo volana na koa 169 700 Ariary isam-bolana izany hoe : latsaky ny 238 000 Ariary isam-bolana ; dia samy hahazo io tolotra ara-pahasalamana vaovao io avokoa. Azon’ireo zokiolona eny anivon’ireo toeram-pitsaboana telo ireo moa ny manao fizaham-pahasalamana, maka fanafody, manao fitiliana aretina, ny fandidiana kely. Afaka miova toeram-pitsaboana ny zokiolona rehefa afaka herintaona aorian’ny fanavaozana ny fepetra rehetra ilaina amin’izany.
Pati
Legende : Nandritra ny sonia fifanekem-piaraha-miasa notanterahina omaly tany Mahajanga
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT