Sosialy

Tolotra omen’ny “Opérateurs téléphoniques” Tsy hihemotra amin’ny fanadihadiana ny Parlemanta


  • Alarobia 09 Jona 2021

Nanangana vaomiera manokana hanao fanadihadiana ireo orinasa miantsoroka ny tambajotra ara-tserasera na “opérateurs téléphoniques”

 

 miisa telo eto Madagasikara Antenimierampirenena. “ Maro be ny fitarainana voarain’ny solombavambahoaka, ka antony nananganana ny fanadihadiana parlemantera, ny depiote mifanerasera mivantana ny vahoaka, dia mahita ny fitarainana sy ny fimenomenonan’ny mpanjifa. Fahana ampidirina androany alina, tsy hita ny maraina. Ny mpanjifa mitaraina fa tsy mangaraharaha ny vidin’ny “forfaits”. Mba aiza ho aiza ihany koa ny fampidiram-bolan’ireo orinasan-tserasera amin’ny kitapombolam-panjakana?”, hoy ny Solombavambahoaka Mamangy Norbert. Asanay tanteraka izany, hoy hatrany io olom-boafidy io, naneho ny fahavononan’ny Parlemanta hanao fanadihadiana. Etsy ankilany, tsy faly tamin’izany ny orinasan-tserasera, ka nandefa taratasy tany amin’ny Praiminisitra, Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Minisitry ny paositra, ny ARTEC ireo orinasa lehibe ireo. Nambaran’ny depiote Mamangy Norbert kosa fa fanambarana diso io aminy, ka nilazany fa tsy hihemotra eo anatrehan’ny tsindry ny antenimieram-pirenena. Andrasana noho izany izay mety ho vokatr’io fanadihadiana io izay azo ambara fa hafana raha tena ho tody hatramin’ny farany. Tsy hipetra-potsiny ihany koa anefa ireo orinasa goavana rehefa zohiana ny fandehan-draharaha. Ny andraindrain’ny rehetra dia hiteraka fihatsarana any amin’ny tolotra sitrahan’ny vahoaka izany satria tsy takona hafenina ny lesoka sy ny zavatra tsy mazava.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT