Sosialy

Tolotra Miarina Ny fambolena no mitazona ny laharana farany


  • Alakamisy 10 Septambra 2020

Miisa 301 ireo orinasa nisitraka ny tolotra Miarina, izay hanohanana ny fiarenan` ny orinasa Malgasy rehetra, hatramin` ny 01 septambra lasa teo. Mitentina 16 855 700 000 ariary ny fitambaran` ny fanohanana ka 55 999 003

 

 

 

 ariary ny salanisan` ny fampindramam-bola raha ny tatitra hatrany. Raha tsiahivina dia tolotra namaliana ny fangatahan'ny sehatra tsy miankina fa indrindra hialana amin’ny fandefasana mpiasa maro be amin’ny fiatonana ara-teknika ny Miarina by Fihariana. Ireo orinasa voasokajy ho madinika na salatsalany (PMI) sy mitsangana ara-dalàna ary mampidi-bola latsaky ny 5 miliara ariary no voakasika izany. Ny sehatry ny varotra no mitana ny laharana voalohany, izay 34,55%, amin` ireo orinasa nangataka ity tolotra ity. 16, 94% kosa ny filan-draharaha; ny fizahan-tany: 10,96%; ny fitaterana: 10,30%; Tao-trano sy asa vaventy: 9,97%; Fitsaboana: 8,31%; Asa tanana: 5,98%; Indostria: 1%; Fiompiana 1%; Sakafo: 0,66%; 0,33% kosa ny fambolena izay mitana ny laharana farany. Tena misedra olana tokoa ireo orinasa ankehitriny fa indrindra ireo salantsalany manoloana izao krizy ara-pahasalamana izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT