Sosialy

Tolojanahary Maharavo na Doudou “Mananontanona ny mosary eran-tany”


  • Alakamisy 02 Febroary 2023

Tsy maintsy miaina mifanaraka amin’ny odidina jeopolitika iraisampirenena ny raharaham-pirenentsika amin’izao fanatontoloana izao,

hoy ny mpanao politika, mpikatroka MFM, Doudou na Tolojanahary Maharavo. Ny olan’I Eoropa amin’izao fotoana izao, indrindra ny tandrefana, dia io krizin’angovo maneran-tany io, hoy izy. Miankin-doha amin’ny solitany na “petrol”, ny entona na “gaz” ny firenena eoropeanina rehetra. Vao nanapa-kevitra izao ny rosianina fa tsy hivarotra solitany amin’ireo firenena mandrebireby azy ireo intsony. Vao mainka hidangana izany ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisampirenena, indrindra, ny an’ny eoropeanina satria miankina amin’io solitany sy entona io ny fampandrosoana ny toekareny. Sahirana izao tontolo izao vokatr’io adin’I Okrainina io satria mananontanona ny mosary eran-tany. Vao avy niala tao anaty COVID izao tontolo izao dia tafiditra anaty krizin’angovo na “crise énergétique”. Ny manahirana izany izao dia hoe inona no ho hanin’ny gasy? Marina fa nisy tetikasa fampandrosoana an’I Madagasikara notenenin’ny filohan’ny repoblika tamin’ny propagandiny fa vokatry ny olana noho ny COVID sy adin’I Okrainina dia tsy maintsy manitsy ny lalany izy dia aleony sosialim-bahoaka aloha fa tsy tratra intsony izany raha izao. Ho terena foana ve ny filoha Rajoelina hoe tsy maintsy tanteraka ny praograman’asanao nefa ny an’ireo firenen-dehibe ireo aza tsy tanteraka? Mananontanona ny mosary eto amintsika. 950 Ariary ny kapoakan’ny vary. Izany izao no olana eto. Tsy misy olona azonao terena hanatanteraka fampanantenana anaty tranga tsy azo hanoharana. Afaka hijery mialoha COVID 19 ve ianao? 6.000.000 no matin’io teto amin’izao tontolo izao. Iza no nahita mialoha hoe hiady I Okrainina? Ny volan’ny COVID tsy azonao anaovana lalana na hambolena na hiteny aza ianao hoe nisy fanodinkodinam-bola tao dia vola natao ho anaovan-dalana no hanaovan-dalana ary ny vola ho an’ny fampianarana no hanaovana fampianarana. Tsy misy famatsiam-bola azo antenaina amin’ny tandrefana izao. Ny frantsay sy eoropeanina izany sahirana lavitra noho isika. Ny an’ny tantsinanana toy ny Rosia sy Sina izao no andrasana nefa giazan’ireo. Fositry ny fahantrana eto ny fiarahantsika ela loatra amin’ny tandrefana, indrindra, ny frantsay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT