Toliara

Tsy afa-bela amin’ny fahatapahan-jiro sy rano ihany koa


  • Alarobia 31 Jolay 2024

Tsy eto an-drenivohitra ihany, fa saika manerana ny Nosy ity olan’ny jiro sy rano ity.

Mampaneno lakolosy ihany koa ny any Toliara amin’izao fotoana izao, andro maromaro izao no efa niaina fahatapahan-drano lavareny ankoatra ny delestazy efa tena zava-doza. Efa herinandro mahery no tsy nandeha ny paompin-drano, ary raha misy fokontany mahazo rano dia ao anatin’ny 4 ora isan’andro ihany, hoy ny mponina any an-toerana. Voatery maka rano eny amin’ny vovo satria tsy afa-manoatra. Andaniny, milaza ny Jirama fa noho ny olana amin’ny resaka fitaterana solika mavesatra avy any Toamasina no nahatonga izany tsy fisiana jiro sy rano izany. Mitovy amin’izay ihany koa ny tranga any Mahajanga , hany ka tsy nahavaly ny filàn’ny famokarana herinaratra intsony mantsy izay solika tonga, izay nambaran’ny Jirama foibe fa misy olana noho ny tsy fahampian’ny kamio sy ny haratsian-dàlana. Nambara omaly fa efa miverina amin’ny laonina ny herinaratra ao Toliara, ary hiverina miandalana koa ny tosiky ny rano. Tsy manana antoka kosa anefa ny vahoaka amin’ny tsy hiverenan’ny olana intsony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT