Sosialy

Toliara Nahazo fotodrafitrasa telo sosona


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

Fotodrafitrasa vaovao telo sosona no vitan’ny fanjakana tao Toliara, ka natolotra ny vahoaka omaly.

 

 Voalohany ny lalàm-pirenena faha-9 mampitohy an’i Toliara amin’Analamisampy mirefy 107km novatsian’ny BAD-FAD na Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana vola. Ny orinasa sinoa China Road and Bridge Corporation (CRBC) kosa no nanatantereka ny asa, ka 30 volana nanomboka ny taona 2014 ny faharetany. Natolotra omaly ihany koa ny Foibem-pitantanan’ny famantarana ny toetr’andro sy ny fitaterana ho an’ny faritra Atsimo Andrefana. Tafapetraka ihany koa ny “Incubateur de projet” sampana ao amin'ny minisiteran'ny Paositra, ny fifandraisan-davitra sy ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra. Ivon-toerana natao hampiroboroboana ny tetikasa samihafa sy hanohanana ny fikarohana momba ny nomerika sy ireo sehatra samihafa mifandraika amin’izany, izay mitarika amin’ny fahafahana mamorona asa. Manomboka izao dia afaka misitraka tambajotra aterineto amin’ny alalan’ny “WIFI” maimaimpoana ny tanora ao Toliara satria nasiana izany eo amin'ny Jardin de la mer sy ny Oniversiten’i Maninday. Niara-nitokana ny zava-bita tamin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany an-toerana rahateo moa ny Minisitry ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra Maharante Jean de Dieu, izay zanaky ny faritanin’i Toliara rahateo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT