Sosialy

Toliara Nafeniny tao anaty armoara ny olon-tiany


  • Alarobia 27 Mey 2020

Tovovavy kely iray vao 16 taona monja no tsy hita nandritra ny andro vitsy tany Toliara. Tonga nitaraina teny amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona araka izany ny Ray aman-dReniny.

 

Rehefa natao ary ny fanadihadiana dia fantatra fa efa manana olon-tiana io tovovavy io ka nanahy ireo Ray aman-dreny sao lasa any amin'ilay tovolahy ilay zanany vavy. Avy hatrany dia nanao be midina tany amin’ny tranon’io tovolahy io ny polisy saingy tsy nahita olona. Nahavariana anefa fa nahare feo niantso vonjeo izy ireo ka voatery niditra tao amin'ilay trano. Nandritra izany no nahitana ilay zazavavy tao anaty armoara fasiana lamba. Nokarohina avy hatrany ilay tovolahy ka fantatra tamin’izany fa miara-mipetraka amin-jokiny ity farany. Tsy tao an-tokantranony anefa ireto farany ka nalain’ilay tovolahy io sipany io ary hafeniny isaky ny mivoaka ny tranony izy. Naiditra am-ponja avy hatrany moa ity tovolahy ity raha mbola karohina kosa ireo namany hafa izay fantatra fa niray tsikombakomba taminy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT