Mirongatra ny fanolanana ankizy ao Toliara. Nanomboka tamin’ny volana martsa teo no mankaty ohatra dia miisa 26 ireo tranga nisy ka ny 6 tamin’ireo dia tamin’ity volana Aogositra ity avokoa.
Ny telo tamin’ireto farany no niseho tamin’ny faran’ny herinandro teo ary nentina teo anivon’ny Centre Vonjy, ivon-toerana mandray an-tanana ireo ankizy hiharan’ny herisetra ara-nofo any an-toerana . Anisan’ny niaina izany ny tovovavy kely iraitampo roa 15 sy 17 taona. Ny mpampiasa azy ireo ihany no nanararaotra ny fahazazany ka tsy namelany raha tsy bevohoka ilay zandriny izay nolazain’izy ireo fa efa nitoe-jaza talohan’ny nidirana niasa tao aminy. Noteren’ireo mpampiasa azy hijery sary mihetsika mamoafady ity zazavavy kely ity raha ny fantatra ka rahonan’izy ireo rehefa manda. Izy mivady mpampiasa no fantatra fa tompon’antoka tamin’izany. Noho ny tsy fahalalana anefa dia niangavy azy mivady ireto indray mba handray ilay zokiny hanolo ilay bevohoka ny rain’izy mirahavavy kely izay marihina fa avy any Ankililaoka. Tena noraisin’ilay mpampiasa tokoa ity farany saingy mbola nanaovany ny filan-dratsiny ihany koa. Tsy nahatanty izany ity farany ka niala ary namonjy fodiana nitantara ny zava-nanjo azy. Teo ihany koa vao fantatra ny tranga niainan’ilay zandriny. Efa misokatra moa ny fanadihadiana ary efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha. Tsiahivina fa tovovavy kely iray 12 taona ihany koa tany an-toerana no naolan-dRaikeliny.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.