Sosialy

Toliara Horakofana jiro ny tanàna, omena fiofanana ny tanora


  • Zoma 05 Martsa 2021

Hasiana jiro manazava ny tanàna avokoa ao an-drenivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana.

 

 

 Ho voakasika avokoa ny Fokontany rehetra raha araka ny fantatra ka ireny karazana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireny no hampiasaina hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Ireo tanora no tena hahazo tombontsoa amin’izany raha araka ny fanazavan’ny Minisitry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa Tsikel’Iankoina Ernest. Omena fiofanana momba ny fikirakirana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro mantsy izy ireny. Ankoatra izay dia hahazo fiofanana momba ny fanamboarana rarivato hanaovana lalana ihany koa ireo tanora ao Toliara hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT