Sosialy

Toliara Ho tapaka ny rano amina faritra maro


  • Sabotsy 23 Mey 2020

Ho tapaka ny rano amina faritra maro ao Toliara amin’ity anio ity, raha ny fanambaran’ny Jirama ao an-toerana omaly.

 

 Hisy ny fikitihana ireo fantsona mpamatsy rano hanatsarana izay famatsian-drano izay, raha ny fanazavana, ka anton’io fahatapahana io. Hanomboka amin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva izay fahatapahana izay ka tafiditra ao anatin’ireo hisedra izany ny ao Tsimenatse I, Marie stopes, Cité miaramila, Champ de foire, Tsimenatse II, Pharmacie Mahavatse. Mety ho tontosa mialohan’izay fotoana nifaritana izay ihany anefa ny fanamboarana, hoy hatrany ny Jirama, ka toy ny mahazatra dia hangatahana hihevitra izany ho toy ny tsy tapaka ireo mpanjifa.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT