Sosialy

Toliara Efa tafakatra 650 ar ny kapoakam-bary


  • Zoma 05 Jona 2020

Raha nambaran’ny praiministra teny amin’ny Antenimierandoholona teny Anosikely tamin’ity fifanatrehan’ireo loholona sy ny governemanta mahazatra

 

 

 

 fa mitohy hatrany ny ezaka fananganana an’ireo kianja ara-panatanjahantena manara-penitra toy ny any Morondava sy any Antsiranana dia tsy dia toa izany loatra ny miseho any Toliara, raha ny vaovao voaray, fa miato tanteraka aloha ny asa ao amin’ny kianja Andaboly Toliara ao noho ny tsy fahatongavan’ny bozaka sentetika tokony hapetra amin’izany kianja izany. Eo amin’ny fiainanana ankapobeny amin’ity fiatrehana ny ady amin’ny tsimokaretina covid-19 manerana ny nosy ity kosa dia fantatra fa tsy mbola tonga any amin’ity tanàna ity mihitsy izany vatsy tsinjo sy tosika fameno hanampian’ny fitondram-panjaka ny vahoka izany nefa any amin’ity tanàna ity dia miakatra andro aman’alina ny vidim-piainana fa efa tafakatra ho 650 ar izao ohatra ny kapoakan’ny vary ao antampon-tanànan’i Toliara fotsiny ary efa tafakatra ho 800 ar izany any amin’ny distrika manodidina.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT