Toliara

Ady tany nitarika fahafatesana….


  • Alatsinainy 26 Febroary 2024

herinandro vitsivitsy lasa izay. Vehivavy iray manodidina ny 50 taona

eo ho eo no fantatra fa namoy ny ainy ary nalevina ny heriny Zoma lasa teo rehefa nanana olana tamin’ny taniny. Raha araka ny fantatra dia resaka tsy fahaloavana ny vidin-jiron’ny JIRAMA no niandohan’ny tantara. Mba niangavy ny vehivavy namany iray Ratompokovavy mba handoa io vidin-jiro io ka ho takalon’izany dia niara-nipetraka tao amin’ilay tanana izy mirahavavy ireo. Indrisy anefa raha araka ny fanazavan’ny fianakavian-dRatompokovavy fa rehefa niala tao ilay vehivavy izay nandoa ilay vidin-jiro dia nentiny ilay bokin-tany sy ireo entana marobe. Novain’ity farany tamin’ny anaran-dRainy ilay tany taorian’izany hoy hatrany ireo fianakavian’ny maty, antony namparary an-dRatompokovavy. Tao anatin’ny aretiny mantsy vao tonga saina nikaroka ilay bokin-tany izy, antony nampikoropaka ny fianakaviana rehetra nandeha nijery tany amin’ny sampandraharahan’ny fananantany. Indrisy anefa fa efa niova tamin’ny anaran’olon-kafa tokoa ilay tany hoy hatrany ireo fianakavian’ny maty. Na izany aza anefa dia nanamafy Ratompokovavy hoy hatrany ireo havany fa tsy nivarotra io tany io taman’olona izy na nanome izany olona. Nanafatra izy vokatr’izany fa rehefa maty dia alevina ao an-tokontaniny ihany satria mbola azy madiodio ilay tany. Namoaka didy anefa ny Filohan'ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toliara fa tsy azo alevina ao amin’ilay tanana ilay razana. Nanaiky io didy io ny fianakavian’ny maty vokatr’izany na dia tsy nahafa-po azy ireo aza izany. Na izany aza anefa dia nitory ireto farany. Nanana porofo mantsy izy ireo hoy ny fanazavany fa misy"Faux et usage des faux" ilay raharaha. Namoahan’ny procureur IST na tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tany ilay vehivavy naman’ny maty vokatr’izany izay voalaza fa vadina tera-tany vahiny. Re fa natao famotorana ilay Ramatoa saingy velon'ahiahy ny amin'izany ihany ireo fianakavian'ny maty, raha ny filazan'izy ireo. Efa natao fanadihadiana ihany koa ny Rainy. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ity raharaha ity araka izany ireo fianakavian’ny maty. Anio Alatsinainy 26 Febroary moa no fantatra fa hiakatra Fitsarana ny raharaha.
Pati
Legende : Somary mahazo vahana ny ady tany eto Toliara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT