Sosialy

Tolagnaro Tafakatra 600Ar ny kapoakan’ny vary


  • Talata 30 Oktobra 2018

Niakatra ho 600Ariary efa ho hateloana ny kapoa-bary ao Tolagnaro renivohitra. Mbola mihoatra noho io ny vidiny any amin’ireo kaominina manodidina somary ambanivolo.

 

 

 

 Tsy fantatra izay tena antony fa ny azo ambara, dia efa misy sahady ny manararaotra mampianatra ity vidim-bary ity. Tsy ferana ny fisiany eny amin’ny mpivarotra ambongadiny, mpanafatra mbola manana vary. Ny toy izao midika ho famonoana vahoaka. Ilaina ny fandraisana fepetra ho an'ireo mpivarotra mamono vahoaka toy izany. Marihina fa efa ho volana vitsivitsy no tsy mbola nisy fiakarany toy izao ny vidim-bary any an-toerana, saingy mahagaga ny zava-misy. Fa akoatra izay efa manomboka miparitaka eny an-tsena ny lodisia manta. Tsy mahandry ny fiotazana masaka azy ny olona vokatry ny tsy fisiana. Andrasana ny fisokafan’ny tao-piotazana satria ny ledisia dia anisan'ny mampidi-bola ho an'ny mpamboly .

Onesime Michel

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT