Tena mitsitsy ny Malagasy kanefa hita ho tsy afa-manoatra ihany koa amin’ity krizy ity, hoy ny nambaran-dRamatoa T.
Lydia izay mpivarotra enta-madinika. Hita taratra izany amin’ny fomba fiantsenan’ny Malagasy maro amin’izao fotoana izao. Ireo entana tena ilaina andavan’andro na PPN hoy izy no mandeha fa ankoatran’izay dia lasa haingom-pivarotana fotsiny. Nanambara ity mpivarotra ity fa mbola mety ny tsena ary mahavelona ihany na dia ny tapany maraina ihany azy no misokatra. Efa misy arapaka sy ahitana ny sakafo ivelomana isan’andro ny tombony na dia ambany be aza izany raha ampitahaina tamin’ny fotoana mbola tsy nisy fihibohana. Fony mbola tsy nisian’ny aretina dia mahalafo 200 000 Ariary isan’andro farafahakeliny ity mpivarotra ity. Amin’izao fotoana izao anefa dia na ny antsasak’izany aza tsy tratra kanefa ny entana mba feno ihany. Anisan’ireo mpivarotra manome trosa ny manodidina i T. Lydia ary nanambara ny tenany fa na dia misy aza ny fahasahiranana tahaka izao dia ilaina hatrany ny mifampitsinjo ka izany no antony hanomezana ny trosa. Maro be ireo karazan’olona mameno karne mitrosa ao aminy ary tsy hanavahana saranga izany. Voakasika ao daholo na ny mpanasa lamba hatramin’ny mpiasa-mpanjakana ambony. Tsy hanavahana intsony ny krizy fa efa amin’ny rehetra.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.