Sosialy

Toho-drano etsy ampasika Tsy mitovy hevitra ny APIPA sy ny kaominina Bemasoandro


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Tsy mitovy hevitra ny APIPA sy ny kaominina Bemasoandro Itaosy mikasika ilay asa fanamboarana toho-drano etsy Ampasika.

Nambaran’ny Ben’ny tanàna  Rakotomandimby Jean fa efa vita soa aman-tsara ny asa saingy ilay rano no tsy tafiakatra araka ny tokony ho izy. Misy maka foana mantsy, hoy izy ilay fasika eny amin’ny ranon’Ikopa ka midina hatrany ny rano.  Ho an’ny APIPA manokana raha ny fanazavany dia tena ilaina ireo mpaka fasika ireny handavaka ny rano hisorohana ny renivohitr’Antananarivo tsy ho tondraka rehefa fotoam-pahavaratra. Tafiditra ao anatin’izany ilay tetikasa izay hisiana sambo hifamezivezy eny amin’ny ranon’Ikopa amin’ny taona 2040. Ho an’ny kaominina Bemasoandro Itaosy indray dia ny fitsinjovana ireo tantsaha mpamokatra izay efa mahahenika  ny 80 %-n’ny mponina no tanjona,  indrindra amin’ny fotoana ilan’izy ireo rano hampidirina eny an-tanimbary.  Miantona fotsiny, eo araka izany, ilay toho-drano namboarin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy etsy Ampasika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT