Sosialy

Toho-drano ao Ambohijoky Tsy niandry fanjakana intsony ny mponina


  • Alarobia 07 Oktobra 2020

Toy ny antso an’efitra ihany raha izay no ilazana azy ny antso nataon’ireo mponina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antanety Ambohijoky tamin’ny fanjakana mikasika ny tokony hijerena haingana ny asa fanamboarana ny toho-drano ao Ambatomainty izay manondraka velaran-tany an’arivony ha ao

 

 

 

amin’ity kaominina ity sy ny manodidina. Hatramin’ny taona 1935 no mankaty mantsy dia tsy nisy nanamboatra mihitsy io toho-drano tamin’ny andron’i Neny Rafotsy Rabodo io. Tsy mitsahatra ihany koa anefa teo an-daniny ny fakana ny fasina any amoron’ny reniranon’i Sisaony mandalo eny Ambatofotsy ka nilatsaka ny morona ary nihataka ny vavarano. Vokany, voatery niandry ranon’orana hatrany ny ireo tantsaha mpamokatra na dia efa tokony hanetsa aza. Ankehitriny maina tanteraka ny tanimbary, mbola tsy misy ihany ny ranon’orana ka nirotsaka an-tsehatra nandray andraikitra izy ireo, notohanan’ny solombavambahoaka voafidy any atsimondrano Alain Ratsimbazafy sy ny Ben’ny tananan’Ambohijoky Rtoa Mirana. Tamin’ny iray volana lasa no efa nanatitra hazo bois rond iray kamiao teny an-toerana ity solombavambahoaka ity niampy simenitra tamina kitapo maromaro raha mbola niampy iray kamiao indray izany omaly. Omaly mantsy no nanombohana ny asa tamim-pomba ôfisialy izay haharitra 1 volana mahery eo ho eo. Hifampizara asa isan’andro ireo fokonolona manerana ireo Fokontany 13 isa mandrafitra ity kaominina ity mba ho vita haingana izany.Nambaran’ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy moa fa na tsy hanampy aza ny fanjakana dia tsy maintsy vita ny asa rehefa ao anaty ilay hetaheta te-hampandroso sy ilay firaisankina ary ny finiavana hananan’ny fokonolona.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT