Sosialy

Tohana ara-tsosilay Mitaky fanampiana ireo mpitondra Bajaj an’Ambohidratrimo


  • Alatsinainy 30 Martsa 2020

Nahatsiaro no nataon’ny filoha ho zanak’Ikala hafa ireo mpitondra bajaj eny Ambohidratrimo nefa miasa eo amin’ny sehatry ny fitateram-bahoaka ihany koa no sady mitady izay harapaka isan’andro, rah any fampitam-baovao avy amin’izy ireo.

 

 

Nivoaka tamin’ny fahanginana izy ireo ny faran’ny herinandro teo nitaky izay mba anjara fanampiana ho azy ireo avy amin’ny filoha ihany koa. Nambaran’ny mpitondra tenin’izy ireo ao anatin’ny fikambanana izay hivondronany fa izay kely azon’izy ireo toy ny mpamily taxi-be sy ny mpanampy azy ary ny mpamily taxi ihany koa no mba hohanin’ireo vady aman-janany. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia toa hadino izy ireo koa mangataka ny mba hijerena ny fiainan’ny tsirairay. Nomarihin’ity mpitondra teny ity hatrany moa fa miaina amin’ny tsy fisiana izy ireo efa ho herinandro izao noho ny tsy fahafahan’izy ireo miasa toy ny taxibe sy ny taxi rehetra. Am-polony moa ireo mpitondra bajaja eny Ambohidratrimo no mivondrona ao anatin’ity fikambanana iray ity.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT