Sosialy

Tohana ara-tsosialy mandritra ny 4 taona Hamoaka 250 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena


  • Talata 27 Desambra 2022

Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny 21 desambra lasa teo ny tohana mitentina 250 tapitrisa dolara mandritra ny 4 taona, mba hanampiana ireo tokantrano tena sahirana sy mahantra fadiranovana eto Madagasikara.

Haraton’aina ara-tsosialy izay entina hanohanana ny rafitra nasionaly momba fiahiana ara-tsosialy sy ny fiatrehana ny fahantrana nateraky ny krizy io, izany hoe tafiditra ao anatin’ny tetikasa PFSS (Projet de Filets Sociaux de Sécurité de Madagascar)", izay hahakasika ireo faritra 23 eto Madagasikara, ka 3 tapitrisa latsaka ireo olona hisitraka fanampiana miainga amin’io, manome 13%n’ireo tokantrano voasokajy ho tena mahantra fadiranovana. Hanohizana ireo tetikasa fiahiana ara-tsosialy efa nisy io, ka hisy ny tohana ara-bola hoentina manampy sy mampivelatra ny maha olona. Tsara ny manamarika fa efa nanomboka ny taona 2016 ny tetikasa PFSS, ka ny FID (Fonds d’Intervention pour le Développement) sy ny Banky Iraisam-pirenena no isan’ny miara-misalahy amin’ny fanatanterahana azy. Nanomboka tamin’izany, nahatratra 200 000 ireo fianakaviana nisitraka ny tetikasa. Nitombo avy 15 avo heny ny mpisitraka amin’ity tetikasa vaovao ity. Naneho ny solontena maharitry ny Banky Iraisam-pirenena Rtoa Marie-Chantal Uwanyiligira fa tao anatin’ny taona nifanesy, nisedra toe-draharaha maro tsy azo nialana nisy fiantraikany tamin’ny toekarena I Madagasikara, ny resaka toetr’andro sy ara-pahasalamana izay nisy fiantraikkany lehibe tamin’ny fiakaran’ny toekarena sy ny fampihenana ny tahan’ny fahantrana. Nambara fa lohalaharana hatrany tamin’ny fanampiana ireo olona tena marefo mba niatrehana izany sy ho fiarenana ny Banky Iraisam-pirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT