Hatramin’izao dia mbola hita ho mampisambadidaka eny anaty fiarahamonina eny hatrany ny tsy fahatomombanan’ireo tohana ara-tsosialy isan-karazany
nampanantenain’ny fitondrana hamatsiana ny isan-tokan-trano ao anatin’izao hahamehana ara-pahasalamana izao. Vinany, Itaosy, Betongolo, saika ireo fokontany sy elakelantrano eto Antananarivo dia ahenoana fa mbola maro ireo tsy nahazo. Ny fitondram-panjakana ve no tsy te hanome intsony ireo tosika fameno sy vatsy tsinjo ary paositra fameno sy ny hafa rehetra sa ny fahafahana ara-bola sy ara-kolona hitsinjara izany mihitsy no tsy ao intsony? Efa hatrany am-boalohany moa ny maro amin’ireo olona nilingilingy niditra tao anatin’ilay komity atao hoe Loharano no nitaraina fa miteraka ady ara-piarahamonina izy ity. Ireo komity no mahazo loza any amin’ireo mponina kanefa ny vatsy tonga no tsy ampy mizara. Voalaza ho efa rava nohon’ny afitsoky ny fitondrana amin’ireo vakoka sy rova ny tantara sy ny kolontsaina. Rava niaraka tamin’izany dia miantsona eo fotsiny koa ireo foto-drafitrasa, izay misy vakoka koa amin’izy ireny, toy ny kianjaben’I Mahamasina. Na izay heverin’ny fitondrana fa fanorenana aza hitan’ireo manam-pahaizana ho mampisara-bazana ary mampisaraka ny rohy eo amin’ny malagasy sy ny tantarany mbamin’ny kolontsainy ihany, raha tsy hilaza afa-tsy ny fanorenana ny Kianja masoandro ao anaty rovan’Antananarivo. Io koa fa lasa mampiady fiarahamonina ankehitriny ny tohana ara-tsosialy isan-karazany. Mampahatsiahy ny resaka mpanangana sy mpandrava tamin’ny fotoan’androny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.