Na dia nitombo roa aza, dia azo ambara hoe vaovao tsara. Avo roa heny ny natao fitiliana omaly mitaha amin’ny andro teo alohany. Nihena ny fitomboana raha ny tarehimarika no jerena? Hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ireo avy any an-dafy no atoka-monina. Mbola ampahany na “partiel” ny fitokana-monina satria ao anaty “stade 1”. Mbola misy ny orinasa tsy miankina miasa.
Raha sanatria misy faritra hafa ahitana tranga, dia tsy afaka ny hivoaka ny olona.Fotoanan’ny fifampitsinjovana sy ny fifanampiana eny amin’ireny orinasa tsy miankina ireny. Ny fifamezivezena diso tafahoatra no ferana. Maro ny orinasa afakaba manana kaomandy any amin’ny firenen-kafa. Mba tsy hisian’ny fatiantoka be dia mbola azo atao amin’izao fotoana mbola Stade 1 izao. Tsy ekena ny fandroahana tsy ara-drariny ny mpiasa. Ho an’ny orinasa misy mpiasa 2000 any ny mpiasa, dia hitsidika any ny tompon’andraikitra, ary tsy maintsy hapetraka ny fepetra amin’ny fiarovana ireo mpiasa.
FIAHIANA NY MAREFO ARA-PIVELOMANA
Izay hahasoa ny besinimaro no atao. Tsapako ny fitarainan’ny olona, ary izao akory tsy manao bemarenina. Mijery izay hahafahana mifanome tànana. Nivory niaraka tamin’ny Praiminisitra sy ny Filohan’ny CCO Covid 19, ka nametraka ny “plan d’urgence social” hanampiana ireo fianankaviana sahirana ny fanjakana. Hanampy ireo fianakaviana tratran’izay fanapahan-kevitra izay miaraka amin’ny fianankaviana sahirana. Hisy fanampiana ara-tsakafo: hovatsiana ara-tsakafo: vary, voamaina, menaka, sirampamy, savony, koba aina, haterina ho an’ny ankizy manomboka alakamisy. Hotsinjovina ny mpitondra fiarakaretsaka rehetra, mpitondra taksibe sy ny resevera, mpanasa lamba, mpivarotra amoron-dàlana, mpivarotra gazety, mpivaro-tena satria tratry ny “couvre feu” dia tsy miasa ihgany koa izy ireo. Efa nampiantso ny ben’ny tanàna, lehiben’ny distrika, misy fikambanana,… Efa fantatra ny isan’ny taxi sy taksibe. Tsy adino ny zokiolona, izay homena tombony manokana toy ny sardine,… Eo ihany koa ny 4’mi. Mijery izay hanampiana an’Antananarivo sy Toamasina. Hanararaotra hanamboatra sy hanampina ny làlana simba.
10 MILIARA ARIARY HO TOHANA ARA-TSOSIALY
Hisy ny tohana ara-tsosialy 10 miliara ariary hozaraina ho an’ireo olona tratry ny fahavoazana ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao. Iaraha-miasa amin’ny FID izy io, ary fiaraha-miasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Hozaraina manomboka amin’ny herinandro ny vola. Ohatra, ny mpamily taksi dia homena 100 000Ariary avokoa, ny mpamily taksibe, ny resevera… Efa betsaka ny sedra nolalovantsika, ary tsy ampahafirin’ny loza sy krizy nolalovantsika, hoy ny filoha Rajoelina.
HETRA, VIDIN-JIRO
Amin’ity volana ity na koa mbola miitatra arakaraka izay zava-miseho, tsy misy mandoa faktiora ny olona, fa hamboarina ny fomba handoavana izany na hozaraina 5 na 10. Tsy misy fandoavana amin’ity, tsy misy fanapahana. Amin’ny volana manaraka ny fandoavana ny volan’ny banky ho an’ireo nindram-bola. Ho an’ny CNaPS sy OSTIE, dia hapetraka ny “mésure fiscale” mba tsy hisian’ny “chômage technique” ary ho resahan’ny filoham-pirenena misimisy kokoa anio indray ny momban’izay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.