Sosialy

Tohana ara-tsosialy ao Toamasina Niditra an-tsehatra ny minisitry roa vavy


  • Talata 07 Aprily 2020

Ramatoa Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy, ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana no nisolotena ny fitondram-panjakana aty Toamasina amin’ny fanatanterahana ny drafitra ara-tsosialy amin’ny hamehana (plan d’urgence social).

 

 

 

 Nanome Vatsy tsinjo ho fitsinjovana ireo mpiara-belona, indrindra fa ireo marefo ara-toekarena ato anatin’izao ny fihibohana izao izy ireo. Tokatrano maro eo amin’ireo fokontany miisa 138 ao Toamasina I sy ao amin'ny Toamasina II no nisitraka izany. Na izany aza, dia maniry ny mponina maro ny hihitaran’ny tohana bebe kokoa satria maro ireo sokajin’olona sahirana. Somary nafampana rahateo ny fitakiana tao Toamasina tao anatin’ny andro vitsy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT