Tohamboivoy, rano tapaka, delestazy,…

Hazo fijaliana ho an’Antananarivo


  • Zoma 26 Aprily 2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Toy izany koa ny rano tapaka sy herinaratra tsy milamina. Iaraha-mahalala sy efa hain’ireo mponina tsianjery moa ny vokany fa tsy fandriampahalemana sy tsy fanjariana foto-pivelomana samihafa toy ireo asa miankina amin’ny angovo sy herinaratra. Iza moa no ahavisavisa 20 na 25 aty aoriana hoe i Antananarivo izay mpamonjy ny any atsimo noho ny afitsoky ny kere no miaina tsy fisian-drano maharitra toy ny any koa ankehitriny? Iza izany no mba hamonjy antsika, hoy ny mpamakafaka iray izay, raha isika mpamonjy koa aza ity taraiky? Mitohy ny fanararaotan’ireo mpanao fitateram-bahoaka amin’ity resaka manary an-dalana ny mpandeha na koa fara-faha tsarany mamindra mpandeha amina zotra hafa ity rehefa hiodina an-dalana izy ireo. Omaly hariva izao dia nahitana izany indray, ohatra, tamin’iny mianika an’Anjanahary hihazo an’Ampasapito sy ny mankany mankany iny nefa dia mbola hitanao fa ireo feno mponin’Antananarivo tratra hariva mba te hamonjy fodiana nefa dia miandry ny sitrapon’ireo mpitatitra. Hahavaha izany tokoa ve ity teleferika ity sa sanatria vao mainka hanampy trotraka ny olana efa misy, indrindra, eto amin’ity lafiny herinaratra ity? Sanatria mbola hanavesatra izay hazo fijaliana lanjaina izay ve?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT