Toerana fisakafoanana malaza eo Mahamasina

Nanaovan’ny renim-pianakaviana iray fanairana


  • Alarobia 25 Jona 2025

Nisakafo tamina toerana fisakafoanana iray teo Mahamasina, toerana malaza be izay,

izaho sy ny zanako miisa 3 omaly hariva, hoy ny renim-pianakaviana iray nitantara ny zava-nisy niainany sy ireo zanany ny 23 jona teo. «Soupe spécial» no nafaran’ilay zanako lahy iray, hoy izy. «Pâte sèche spécial» ny ahy ary «Misao au crevette» mitovy ny an’ny zanako mianadahy.Teo am-pihinanana izahay dia efa naheno hoe hafahafa ilay misao. Ohatrany misy zavatra masisosiso, marikivikivy izany. Izahay moa samy nifampitsaingoka sakafo nohanina teo daholo. Samy nihinana. Tsy nanampo akory. Lany ny sakafo dia nandray fiara nody. Mbola samy mandeha eny an-dalana dia samy naheno zavatra hafahafa, fanimpanina fa lasa nody ihany. Noho ny tonga tato an-trano anefa lasa te handoha be, maloiloy, fanina, manjavona ny maso, narary kibo be daholo ka tapa-kevitra niantso fianakaviana hande hopitaly. Tao anaty fiarakaretsaka andeha hopitaly, niasa nandoha amin’izay. Rehefa tonga tao amin’ny hopitaly dia voamarin’ny Dokotera fa «Intoxication alimentaire» na fahapoizinana ara-tsakafo no nahazo anay. Ny tiako ahatongavana dia hoe samia mitandrina! Aleo tsy mihinana sakafo masaka ivelany aloha amin’izao fotoana mahamay izao na irony heverinao fa toerana madio irony aza fa tsy haintsika hoe ohatran’ny ahoana ny zavatra ampiasainy na ity sakafo miparitaka malaza ity. Isaorana ny Tompo lehibe fa avotra soa aman-tsara izahay! Ny hopitaly ao efa feno. Izahay aza teo amin’ny lalantsara no natory satria tena hipoka ao. Tena hoe nofy ratsy izany hoe izahay 4 mianaka indray teo am-pandrianan’ny hopitaly. Isaorana be dia be ireo mpitsabo ao amin’ny HJRA fa tena nanao ny asany ry zareo. Na dia betsaka aza ireo narary tao dia tena nanao ny ainy tsy ho zavatra ry zareo mandray ireo izay tonga. Tsara ho marihina fa efa mpandeha amin’io toerana io izahay fa tamin’ity farany ity no tratran’izao, hoy hatrany ny fanairan’ity renim-pianakaviana ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT