Sosialy

Toerana fikarakarana volo sy tarehy Nihena hatrany amin’ny 75 % ireo mpanjifa


  • Alatsinainy 11 Mey 2020

Saika mahita faisana vokatry ny fiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus avokoa ankehitriny ny asa fihariana rehetra. Anisan’ny miaina izany ireo mpanao volo eto an-drenivohitra raha araka ny fanadihadiana natao.

 

 

 

 

 

Nihena hatramin’ny 75 % mantsy ireo mpanjifan’izy ireo. Ireo izay tsy maintsy manao volo ihany sisa no tsy maintsy manao izany hoy ny Renim-pianakaviana tompona toerana fanaovam-bolo iray toy ireo avy manasa loha ohatra ka efa zatra manao brushing na ireo tsy maintsy mandoko volo. Ny ankoatra izay hoy izy dia lasa mirandrana, na tsy manao volo mihitsy fa mitaiza izany amin’ny alalan’ny akora natoraly eny hatramin’ny tarehy aza. Miaina anaty fihibohana rahateo isika hoy hatrany ity Renim-pianakaviana ity ka manam-potoana kokoa hikarakaram-batana ao an-trano ny Renim-pianakaviana. Tsiahivina moa fa 50%-n’ny karaman’ireo olona miasa amin’ny toerana fanaovam-bolo sisa no raisin’izy ireo ankehitriny. Mifandimby izy ireo miasa isan’andro manomboka amin’ny 07 ora maraina ka hatramin’ny 01 ora folakandro.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT