Sosialy

Toeram-ponenana Tsizarizary ny an’ny 77% n’ny Malagasy


  • Alatsinainy 25 Aprily 2022

Azo sokajiana ao anatin’ireo kaominina an-drenivohitra antsoina hoe “ville secondaire” I Manakara, raha ny fanazavana momba ny fanarenana ireo toera-ponenana tsy zarizary nataon’ny tekinisianina.

Vokatra azo tsapain-tanana mikasika ny tetikasa fanaovana ireny toerana ireny na ny PPAB andiany faha 3 ny fanavaozana ireo trano fonenana ravan’ny rivodoza Batsirai, hoy ny fanazavana. Trano fonenana mafy orina manaraka ny fenitra rehetra, noho izany, no nezahana natao ary manaraka ny fiovan’ny toetr’andro. Efa maromaro koa ny asa fanatsarana ho an’ny kaominina an-drenivohitr’Antananarivo teo amin’ny sehatry ny asa fanadiovana sy fanamafisana orina ara-pitaovana sy ara-pahaiza-manaon’ny RF2, ohatra, amin’ireo fokontany miisa 4 iasan’ny tetikasa. Eo koa ny fametrahana ny atao hoe ‘’maison communautaire multi-fonctionnelle” miisa 2, izay toerana natao ho marolafy misy biraom-pokontany, sampana toeram-pitsaboana, sampan’ny BMH, toeram-piofanana maro samihafa, toerana manokana hahafahana mandray raha sanatria misy rivodoza na sahala amin’izany. Ho an’I Moramanga moa dia hisy fanatsarana ny lakandrano ao Antanamandroso atsinanana sy Antanamandroso andrefana. Vita ny andiany fahatelo moa dia izay no antony hamolavolana itony paikady fampiatiana ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro itony hahafahana miditra amin’ny fanitarana sy fametrahana indray paikady vaovao hoe ahoana no hahafahana miasa amin’ireo tanana hafa indray. 34 isa ireo “ville secondaire” na tanana itoerana fonenana tsy zarizary ireo, hoy hatrany ny fanazavana. Famatsiam-bola moa no azo anatin’ny PPAB fa tsy vola indramina. Miaina anaty toeram-ponenana tsy zarizary ny 77%n’ny mponina, hoy hatrany ny fanazavana, ka ezaka be noho izany ny hanenana azy io.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT