Raha misy ny firenena be toeram-pivavahana sy antokom-pinoana maro indrindra dia azo lazaina ho lohalaharana i Madagasikara.
Efa tsikaritra isaky ny misy vanim-potoam-pisavorovoroana teto hatramin’izay toy ny tamin’ny taona 1998, nampalaza ny marika 666, sy ny taorian’ny taona 2009, ohatra, fa fotoana firongatana sy fanararaotan’ireo antokom-pivavahana sasany maro mihitsy ny toy ireny hanasana ny atidohan’ireo vahoaka hiantehatra amina pretra mitondra karazam-piangonana iray hanova ny fiainan’izy ireo. Mariky ny fahantran’ny firenena iray rahateo ny firongatan’izay karazam-pivavahana sy fiangonana anaty firenena iray izay raha ny tranga manerana izao tontolo izao no jerena. Tsy ny finoana no ratsy fa ny fahasahian’ireo mpisandoka manodina izany ho an’ny tombontsoan’izy ireo. Ny Sinoa no firenena matanjaka indrindra maneran-tany ary azo isaina ireo karazam-pivavahana sy fiangonana miorina any. Toy izany koa ireo firenena mandroso ao Eoropa sy Etazonia. Nitondra fiovana ho an’ny firenena Roandey ihany koa ny nanakatonana ireo fiangonana niisa 6 000 sy moske 100 tany an-toerana ny volana aprily teo. Notakian’ity filoha ity kosa anefa ny mari-pahaizan’ireo mpitondra fivavahana mialoha ny famerenana ny fisokafan’izy ireny indray.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.