Sosialy

Toeram-pilanonana lehibe eto Madagasikara Olana ho an’ny artista ny tsy fahampiany


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Feno hipoka ny Plaza Ampefiloha ny zoma teo nandritry ny kaonseritry ny tarika Kiaka nitondra ny lohateny hoe « Soavaly metaly » ary nifaly havanja tanteraka ny mpakafy ny mozika rock.

 

Saika hita nanatevin-daharana tao avokoa ny tarika mpiangaly rock Malagasy hafa toa an-dry Green sy ry Tselatra. Manana ny lanjany ny rock eto Madagasikara ary manomboka miverina amin’ny toerany ny lanjan’ny kolontsaina eto amintsika, hoy ny fanazavan’ny mpandraharaha nanohana ny hetsika, Tantely Raboanary Mahefatiana. Mbola olana anefa ny tsy fahampian’ny toerana fanaovan-danonana lehibe tahaka ny any andafy ary saika manerana ny renivohi-paritra dia mbola tena sahirana amin’io. Nankasitraka ny mpankafy sy ireo olona namaly ny antso na izany aza ity mpandraharaha tanora ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT