Sosialy

Todisoa Andriamampandry Nanolotra “mégaphone” 11 ho an’Antehiroka


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Mbola kolontsaina eny Antehiroka ny antsoantso rehefa misy zava-mitranga na an-kafaliana na an-karatsiana, toy ny fahoriana saingy betsaka no malahelo tsy tratra antso, kanefa tena tia manao adidy ny olona.

 

 Noho izany dia notanterahin’i Todisoa Andriamampandry kandida depiote natolotry ny TIM ny fanamby nataony tamin’ny fampielezan-kevitra ka natolony ny sabotsy teo ny “mégaphone” iray avy avy ho an’ireo fokontany 10 miampy iray ho an’ny Fikambanan’ny mpikabary. Mbola tena toavin’ny olona ny kabary eny, ka misy fifaninanana eny Antehiroka, ary ho avy ny an’Ambohimanarina, izay izy no raiamandreny mpiahy. An-jatony no nifanintsana ka 13 jolay ny famaranana makotroka. 1 000 000Ar ny loka ho an’ny voalohany, ary tsy ampoizina na “surprise” kosa ho an’ny faharoa sy fahatelo. Amin’ny maha olom-pirenena, dia mijery ny tanora 18-25 taona izy, ka misy ny fampiofanana informatika ary efa mandeha ny andiany voalohany, hitohy izany ao anatin’ny 5 taona. Tsy adino ny vehivavy amin’ny resaka asa tanana sy fiofanana momba ny asa fihariana hahafahany mivelona. Hatao modely amin’ny fampandrosoana i Ambohimanarina, ary tsy maintsy tanterahiko ny teniko sy ny fampanantenako fa aza matahotra ianareo, hoy i Todisoa Andriamampandry.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT