Sosialy

Toby fiantsonana eny Andohatapenaka Ho hentitra ny fanaraha-maso ireo fiara hivoaka ny renivohitra


  • Talata 07 Janoary 2020

Ho hentitra ny fanaraha-maso ireo fiara hivoaka etsy amin’ny tobim-piantsonana Andohatapenaka hihazo ny lalam-pirenena voalohany, faharoa, fahaefatra ary fahaenina

 

 

 

manomboka izao. Hisy mantsy ny fitsirihana hatao amin’izy ireny ankoatra ny fanaraha-maso ny haavon’ny entana izay tsy tokony hihoatra ny 80 sentimetatra. Izany no hatao hoy ireo tompon’andraikitra nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly dia ho fiarovana ny ain’ny mpandeha, indrindra ao anatin’izao fotoam-pahavaratra izay mampahalamana ny lalana izao. Hanatanteraka fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2020 moa   ireo koperativa 39 isa miasa ao amin’ity tobim-piantsonana ity amin’ny sabotsy 11 Janoary ho avy izao. Manoloana io lanonana izay karakarain’izy ireo io dia fantatra fa hisy ny fiovana fandaharam-potoana tsy ho toy ny mahazatra  ho an’ireo taxi-brousse hitatitra olona hivoaka ny renivohitra. Amin’ny 3 ora sy sasany folakandro mantsy no fara fiaingan’ireo taksibrosy sahanin’izy ireo amin’io andro io raha amin’ny 5 ora hariva hatrany isan’andro.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT