Sosialy

Toby famatsian-drano Amoronankona Ho vita amin`ny volana aogositra ny asa


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Nitsidika ny toerana anorenana toby famatsian-drano madio teny Amoronankona, manamorona ny lalana « By-Pass », omaly ny Sekretera jeneralin’ny governemanta,

 

 

 

Ramatoa Razanadrainiarison Rondro Lucette, hijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana; asa izay tanterahina eo ambany fiahian’ny minisitera misahana ny rano, ary iarahana miasa amin’ny orinasa Jirama. Noho ny fahatongavan’ny Jirama amin’ny fetra fahafahana mamatsy rano, izay niteraka olana ara-pamatsiana amina faritra maromaro eto amin’ny tananan’Antananarivo, dia nampihatra tetikasa fanamboarana fotodrafitrasa ho an’ny fahamehana, hanampiana amin’ny famatsian-drano, ny governemanta, ka io no heverina hamahana ny olana ao anatin’ny fotoana fohy. Araka izany dia hamatsy an’ireo faritra tsy ampy rano eny Ambohimangakely ity toby ity, ary vinavinaina ho vita amin’ny faran’ny volana aogositra ny asa rehetra. Inoana fa tena hitondra voka-tsoa mivaingana eo amin’ny fiainam-bahoaka izao fanapahan-kevitra noraisina izao, ary raha toa ka mety, dia hampiasaina amin’ny faritra rehetra eto an-drenivohitra. 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT