Sosialy

TOBIN’NY ZAZA MADITRA Zazalahy 115 no harenina ao Anjanamasina


  • Alatsinainy 22 Jolay 2019

Miisa 115 amin’izao ireo zazalahy nania beazina ao amin’ny toby Anjanamasina eny Ambohidratrimo.

 

 

 

 Maro amin’izy ireo no nanao heloka bevava raha misy ihany koa ireo nanao heloka tsotra. Ny fitsarana misahana ny ankizy no nametraka azy ireo eny an-toerana izay marihina fa afaka mianatra ara-dalàna sady afaka miatrika ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy BEPC ihany koa. Efa misy ao an-toerana mantsy ny taona voalohany ka hatramin’ny fahafito. Toraka izany koa ny taona fahenina ka hatramin’ny fahasivy ankoatra ny fanofanana arak’asa ho an’ireo izay tena mila izany. Nisy ny sabotsy teo ny fitsidihana nataon’ny fikambanana Ank’Izy teny an-toerana. Ankoatra ny fanomezana sakafo azy 115 lahy ireto dia nampilalaovina ihany koa izy ireo hahafahany miala voly raha nolokoina ihany koa ny trano ipetrahany. Tsiahivina moa fa fikambanana tanora afaka baka mpanao asa soa ny fikambanana Ank’Izy izay mitsinjo manokana ireo niangaran’ny vintana eto amintsika.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT