Sosialy

Tobim-piantsonana MAKI Arahi-maso akaiky ny fahasalaman’ireo mpandeha


  • Talata 03 Martsa 2020

Mihamafy hatrany ny fanaraha-maso ireo olona mivoaka sy miditra mampiasa ny lalam-pirenena fahenina sy fahefatra ary faharoa amin’izao fotoana izao.

Raiketina anaty solosaina avokoa mantsy ny mombamomba azy ireny ho an’ny tobim-piantsonana Maki eny Andohatapenaka  ary alefa avy hatrany any amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT izany. Izany no hatao dia hahafahana mitady avy hatrany ilay mpandeha raha mampiahiahy ny toe-pahasalamany, hiarovana  ny manodidina. Ankoatra ireo tompon’andraikitra dia polisy 6 isan’andro no miambina sy manara-maso ity toerana ity  izay tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ihany koa. Mahatratra 200 ka hatramin’ny 400 kosa ireo fiara miainga ao an-toerana isan’andro raha mahatratra 600 isa ny  vanim-potoanan’ny fialantsasatra lehibe. Tsiahivina moa fa mahatratra 50 isa  ireo kaoperativa mampihodina ity  tobim-piantsonana iray ity mivondrona ao anatin’ny CPCTR. Nanatanteraka fambolen-kazo niraisana teny Imerintsiatosika izy ireo ny faran’ny herinandro teo.

Pati

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT