Sosialy

Toamasina Tonga ny vary 15 000 taonina


  • Alarobia 25 Novambra 2020

Sambo iray mitondra vary 15 000 taonina nafaran’ny mpandraharaha no tonga tao Toamasina ny alatsinainy teo.

 

 Io no nentin’ny sambo mahazatra, fa mbola maro be ihany koa ny amin’ny Kaontenera, raha ny tatitry ny Talem-paritry ny varotra ao Toamasina omaly. Noho izany, mampitandrina izahay ato anatin’ny Sampan-draharahan’ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana ho an’ireo mpandraharaha mitady hanafina vary, ary tena handray an-tànana sy hanenjika. Misy rahateo amin’ireo mpandraharaha manely fa tsy misy ny vary. Nandritra ny fisavana tao Toamasina, dia nisy ireo mpandraharaha tsy nety namoaka ny faktiora, raha tsy efa niantsoana mpitandro filaminana. Tsy hoe ny vary izany no tsy misy, fa fanararaotana no betsaka, toy ny fanafenana ny tahiry ahafahana mampidangana ny vidiny. Na miakatra ihany koa aza ny vidim-bary, dia tsy misy fiantraikany amin’ny mpamboly satria tany amin’ny fotoana nahamora ny vokatra no nanangonana azy, ary iandrasana vanim-potoana maitso ahitra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT