Sosialy

Toamasina Renivohitra Miparitaka ny vola sandoka 10.000 ariary


  • Zoma 28 Septambra 2018

Ireo mpivarotra “friperies” indray no tena lasibatra amin’ny resaka vola sandoka ka ireo vola 10.000 ariary izay sarotra ny manavaka azy amin’ny tena izy noho ireo laharam-bola samy manana ny azy sy ny endriny mitovy amin’ny vola tena izy no miparitaka ao Toamasina ankehitriny.

 

 

 

 

 Mpivarotra “friperies” iray ao Ambolomadinika no tratran’ny vola sandoka mitentina 200.000 ariary amin’ny vola sandoka 10.000 ariary ny  talata hariva teo. Mandritra ny fanaovan’ireo mpivarotra “friperies” ilay antsoina hoe “vaky balle” izay maha be mpividy miady lamba iny indrindra no anapariahan’ireo mpanaparitaka ity vola sandoka ity izany. Efa eo am-pelatanan’ny polisy ny raharaha ankehitriny dia ho hita eo ny tohiny. Manahy anefa ny ankamaroan’ny olona ao Toamasina fa sao vao miha hirongatra ny fiparitahan’ny vola sandoka rehefa ho avy eo ny propagandy manomboka ny 8 oktobra. Miantso fahamailoana ho an’ny rehetra mpikirakira vola ny polisy izao.

 

 

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT